NOHO NY ZANAKO
Izaho no mikarama tsy mahalala sasatra.
Fa feno fitozoana, entanim-pikirizana,
Dia tsy fitiavan-tena hangorona harena sy vola be am-bata haderade ny ory
Tsy izany mihitsy akory
Tsy izany velively no betsaka ao an-tsaiko
Fa ny fitsinjovana anao ry sombiniaiko,Ho tonga olon-tsoa sy malagasy vanona ho saonjo miotra ankondro ,handroso tsy akijanona
Ka izay kely nisy teo am-pelan-tanako
Tsy entiko mankaiza fa hanasoa ny zanako
Dia ny hisondrotany
Ary ny hiavontany
Hiotra sy handingana izay mba kely vitako hisongona izay hitako
Ho tonga olona manga,ho sangam-pirenena
Tia tanindrazana no feno fahendrena,any aorina any
Koa rehefa tonga izany
Ity tanintsika ity ho fararan'olona
Vanona sy hendry no kanto famololona
Dia tonga maivana amiko ny miari-tory
Ny hasasarako aza tsy reko kely akory
Koa hahagaga ve izay kely mba hananako
Raha lany manontolo mba hahasoa ny zanako
Changer l'arrière-plan du poème
Recevez cela et 4 autres variations de votre poème directement dans votre boîte de réception.
Je travaille à user la nuit jusqu’à l’aurore,
Non pour l’or qui s’entasse et fait baisser les yeux,
Mais pour toi, mon enfant, ce demain que j’ignore,
Et que mes mains voudraient plus vaste et lumineux.
Le peu que j’ai, prends-le : qu’il devienne passage,
Un livre, un pain, l’élan de dépasser mes pas.
Sois plus grand que mon œuvre et plus riche en courage ;
Va plus loin que mes rêves, où je n’irai pas.
Aime Madagascar d’une tendresse active,
Que ton savoir y soit une eau pour les sillons.
Alors, mes longues nuits trouveront sur ta rive
Le repos d’avoir fait grandir des horizons.